Prévisions climatiques pour la saison chaude et humide 2017-2018

Prévisions climatiques pour la saison chaude et humide 2017-2018

par scom | jeu, 11/02/2017 - 17:39

Tous les mois, Météo Madagascar établi la mise à jour des prévisions saisonnières trimestrielles. C’est la Direction des Recherches Hydrologiques et Développements Hydrométéorologiques (DRDH) qui s’en charge. La saison cyclonique vient tout juste de commencer, et ne se terminera qu’en Avril 2018 (1er Novembre 2017 au 31 Avril 2018). A chaque début de saison, Météo Madagascar partage officiellement les informations météorologiques y afférant dans l’objectif d’aider les entités étatiques et le Grand public dans la prise de bonnes décisions.
Cette saison chaude et humide 2017/2018 s’annonce active, selon la situation globale régionale car nous avons l'oscillation australe (ENSO) qui se décline vers une situation NEUTRE : ce qui dévoile une saison bien pluvieuse sur l’ensemble de l’île, contrairement à l’année dernière où nous étions en situation Neutre basculant vers l’oscillation australe. Les recherches démontrent donc des précipitations supérieures à la normale pour le mois de Janvier 2018, contrairement à cette année. Ainsi des crues voire même possibilités d’inondations et d'éboulements sont attendus durant ce mois de l’année 2018 sur l’ensemble de la Grande île. Quant au mois de Février 2018, ces précipitations seront attendues sur les parties Nord, Centre, Centre-Est et sur une grande partie du Sud de Madagascar.
Dans l’optique d’aider les agriculteurs nationaux, Météo Madagascar émet également un calendrier dédié à ce type d’activités. Les conditions de début de semence sont des précipitations atteignant un minimum de 20mm sur deux jours en rayant les périodes sèches de 10 jours successifs.
Concernant les températures pour cette saison, elles sont prévues être plus chaudes par rapport à la normale sur le Centre, le Sud de l’île ainsi que sur les régions du Sud-Ouest, entre Décembre 2017 à Février 2018. Ailleurs, elles seront normales à légèrement plus chaudes. A partir de Mars les températures sont prévues être normales à légèrement plus froides sur la partie orientale et Nord de Madagascar. Sur Boeny et Betsiboka, elles seront normales à légèrement plus chaudes. Et sur le reste, les températures devraient être plus chaudes que la normale.
Il est à noter que les valeurs « normales » enregistrées par Météo Madagascar sont des valeurs indiquant la MOYENNE des températures et précipitations enregistrées sur au moins 30 années pour une région donnée.
Cette saison cyclonique s’annonce également active: le nombre de cyclones qui pourraient toucher Madagascar s’élève entre 2 à 4. Sur ce nombre désigné, il est retenu que 1 à 2 perturbations pourraient atteindre le stade de cyclone tropical ou plus.
Au cours des saisons 2015 – 2016, 2016 - 2017 :
• Les prévisions sur les températures et les activités cycloniques sont vérifiées
• La prévision saisonnière est établie à 70 à 80%.
• Les prévisions étaient utilisées dans certaines prises de décisions.
• La non considération de ces prévisions a amené à des pertes économiques considérables (cas des régions dans le Sud de Madagascar pour la saison 2015-2016, et d’Alaotra Mangoro, Marovoay, le grenier de Madagascar, pour la saison 2016-2017).
Il vaut toujours mieux prévenir que guérir.

Ony/Météo Madagascar

TOMBAN’NY TOETRANDRO MANDRITRA NY VANIM-POTOANA MAFANA SY MANDO 2017/2018

Mafana eto Madakasikara amin’ny ankapobeny. Raha atao safibemantsina dia mizara roa lehibe ny toetrandro anatin’ny taona: ny vanim-potoana maina sy mangatsiaka izay manomboka ny volana aprily hatramin’ny oktobra ary ny vanim-potoanan’ny orana sy ny hafanana, ny volana novambra hatramin’ny martsa. Misy ny manasara-taona ao anatin’ireo: ny volana septambra sy oktobra, antsointsika hoe “lohataona” izay hialana tsikelikely avy amin’ny aty ririnina ka hiainana ny hafanan’ny fahavaratra saingy tsy ahitana orana; ny volana aprily sy may, na ny “fararano” avy amin’ny fahavaratra, miampita mankany amin’ny ririnina, ka hahatsapana hatsiaka tsikelikely.Tafiditra tanteraka anatin’ny vanim-potoana mafana sy mando isika amin’izao fotoana izao.
Tsara ny mampahatsiahy,fa ho an’I Madagasikara, ny 1 Novambra 2017 hatramin’ny 31 aprily 2018 no vanim-potoana fiforonan’ny rivodoza anatin’ny fari-dranomasina misy antsika, izany hoe aty amin’ny faritra andrefan’ny ranomasimbe Indiana. Any amin’ ny volana Janoary, febroary ary Martsa no mahazo vahana ny fiforonan’ny rivodoza mety hikasika ny Nosintsika.
Ny Sampam-pikarohana eo anivon’ny Météo Madagasikara no mandinika sy mamakafaka ary manome ny mety ho fizotran’ny taom-pahavaratra 2017-2018. Voatombana ho roa ny fizaran’ny vanim-potoan’ny orana dia ny desambra 2017-febroary 2018 ary ny martsa sy aprily 2018. Amin’ny fizarana voalohany dia hafana kokoa raha oharina amin’ny mahazatra ny amin’ny afovoan-tany sy ny faritra atsimo ary atsimo andrefana; hifanaraka amin’ny tokony ho izy na ambony kokoa ny amin’ny faritra sisa. Hanaraka ny tokony ho izy na hangatsiaka kokoa kosa ny martsa sy aprily 2018 amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy sy any avaratra; hanaraka ny tokony ho izy na ambony kokoa ny maripana amin’ny faritra Boeny sy Betsiboka; hihamafana kosa ny amin’ny faritra sisa. Ny Varatraza kosa no hitsoka matetika manomboka ny faramparan’ny volana Janoary 2018 izay hitondra orana mivatravatra. Novinavinaina hiteraka tondradrano izany amin’ny janoary 2018 manerana ny nosy.
Miisa 2 hatramin’ny 4 kosa ny rivodoza mety hanafosafo na hikasika ny morontsirak’i Madagasikara ary 1 na 2 amin’izany no hatanjaka.
Rehefa natao ny tomban’ireo fikarohana navoakan’ny Meteo Madagasikara, ho an’ireo vanim-potoana teo aloha, 2015 – 2016, ary 2016 – 2017:
- Voamarina ny vina momba ny maripana sy ny isan’ny rivodoza
- 70%, hatramin’ny 80% ny fahamarinan’ireo tombana navoaka
- Misy ireo nandray fanapahan-kevitra nifanaraka tamin’ny tombana izay navoaka ka nahazoana tombontsoa izany
- Ny tsy fijerena ny tombana alohan’ny hanapahana hevitra kosa, dia nahitana faty antoka ara-toekarena goavana (faritra atsimon’I Gasikara tamin’ny vanim-potoana 2015-2016, ary ny fahataran’ny orana izay nisy fiantraikany tamin’ny fambolena, nandritra ny vanim-potoana 2016-2017).

Ando/Météo Madagasikara

 

Laissez un Commentaire