DivComRP : +261 34 05 582 46 Prévision : scom.meteomalagasy@gmail.com
Mes villes favorites
FAQ
Contact
<strong><em>FILAZANA MANOKANA MOMBA NY TOETRY NY ANDRO ETO  MADAGASIKARA</em></strong>

FILAZANA MANOKANA MOMBA NY TOETRY NY ANDRO ETO  MADAGASIKARA

  • Accueil
  • FILAZANA MANOKANA MOMBA NY TOETRY NY ANDRO ETO  MADAGASIKARA
  • Zone suspecte au Nord de Madagascar

    Zone suspecte
    FILAZANA MANOKANA MOMBA NY TOETRY NY ANDRO ETO  MADAGASIKARA Tangoron-drahona ao Avaratr’i  Antsiranana Novokarina ny : 27 Aprily 2024 tamin’ny 03 ora tolakandro Firafitra Ankapoben’ny toetry ny Andro Misy tangoron-drahona mitoetra ao Avaratr’i Madagasikara, manodidina ny Nosy Seychelles. Tamin’ny 01 Ora atoandro teo dia tany amin’ny manodidina ny 719 Km Avaratra Atsinanan’i Antsiranana no nisy ny foibeny. Raha ny antotan-kevitra voaray dia hita fa tomombana amin’ny ankapobeny ny tontolo hivoarany na dia tsy dia hita taratra loatra aza ny tsiokan’ny talio. Raha ny mari-drefy voaray ny maraina teo dia manodidina ny 40 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, mety harahina tafiotra 50 Km/ora ao anaty oram-baratra.   Fironana ato anatin’ny dimy andro manaraka Tombanana hikisaka miandalana mianatsimo na Atsimo-Andrefana ity tangoron-drahona ity ato anatin’ny 2 na 3 andro manaraka ary mety hitombo hery tsikelikely ho lasa andro ratsy. Mbola manjavozavo kosa ny mety ho fivoarany lavitr’ezaka raha ho lasa rivodoza na tsia, na hikasika an’i Madagasikara mivantana na tsia. Na izany aza dia arahi-maso akaiky ny mety hisehoan’io tranga faharoa io. Noho izany dia tombanana hikorontana ny toetry ny andro any amin’ny tapany Avaratry ny Nosy manomboka ny Talata 30 Aprily na Alarobia 01 Mai 2024. Ahiana ho betsaka ny rotsak’orana (mihoatra ny 80 mm/24 ora) any DIANA, SOFIA, SAVA, AMBATOSOA ary ANALANJIROFO. Misy araka izany ny fampitandremana manoloana ny mety ho fahabetsahan’ny rotsak’orana amin’ireo faritra ireo. Mila mailo sy mitandrina ihany koa ny mpampiasa ny ranomasina amin’ny morontsiraka Avaratry ny Nosy satria mety hahery izany rehefa ao anaty orana. Entanina ny tsirairay mba hanaraka ny vaovaon’ny toetry ny andro sy ny toro-marika omen’ny manam-pahefana isan-tokony. Ny foibe famanatarana ny toetry ny andro dia manara-maso akaiky ny fivoaran’ity tranga ity. Filazam-baovao manaraka: Rahampitso Alahady 28 Aprily 2024.

    Zone suspecte au Nord de Madagascar

    Nom
    Zone suspecte
    Catégorie
    Système
    Position
    Nord
    Vent moyen
    40Km/h
    Rafales
    50Km/h
    Déplacement
    Sud
    Diamètre
    0Km
    Établie le 27/04/2024 15:00:00 h locales | N° : 10-20232024
    Carte Cyclone
    Établie le 27/04/2024 15:00:00 h locales | N° : 10-20232024
    Image satellite

    Saison cyclonique 2023/2024

    • #
    • Nom des cyclones
    • Catégories
    • Date de la cyclogénèse
    • Vent moyen
    • Rafales
    • Statut
    1. 1
    2. ALVARO
    3. Forte Tempête Tropicale
    4. 31/12/2023
    5. 110 Km/h
    6. 155 Km/h
    7. Passée
    1. 2
    2. BELAL
    3. Cyclone Tropical
    4. 12/01/2024
    5. 120 km/h
    6. 165 km/h
    7. Passée
    1. 3
    2. CANDICE
    3. Forte Tempête Tropicale
    4. 24/01/2024
    5. 90 Km/h
    6. 125 Km/h
    7. Passée
    1. 4
    2. DJOUNGOU
    3. Cyclone Tropical Intense
    4. 15/02/2024
    5. 210 Km/h
    6. 295 Km/h
    7. Passée
    1. 5
    2. ELEANOR
    3. Forte Tempête Tropicale
    4. 19/02/2024
    5. 100 Km/h
    6. 145 Km/h
    7. Passée
    1. 6
    2. FILIPO
    3. Tempête Tropicale Moderée
    4. 10/03/2024
    5. 100 Km/h
    6. 140 Km/h
    7. Passée
    1. 7
    2. GAMANE
    3. Forte Tempête Tropicale
    4. 25/03/2024
    5. 150 Km/h
    6. 210 Km/h
    7. En cours
    1. 8
    2. HIDAYA
    1. 9
    2. IALY
    1. 10
    2. JEREMY
    Découvrez plus d'infos météorologiques
    L'utilisation de ce site entraine l'acceptation des Conditions générales d'utilisation  
    Designed and Developed with 🤍 by PULSE