Selon les perspectives climatiques de la saison chaude et humide.
Ces calendriers culturaux se focalisent sur les cultures de riz qui ne dépendent que de la pluviométrie.
Ils se basent sur les perspectives climatiques de précipitations d’octobre 2023 à avril 2024. Il ne faut pas oublier que ces perspectives peuvent présenter des écarts par rapport à la réalité.
Ces calendriers donnent des périodes favorables pour le semis. Il est possible qu’il pleuve avant la période proposée, mais il est recommandé d’attendre car il y a encore beaucoup de risque d’avoir des périodes sèches par la suite (échec de semis).
Si au niveau de votre localité, le climat diffère de l’ensemble de la région dans laquelle elle se trouve, il faut se référer à la localité voisine ayant le même climat mais qui ne se trouve pas dans la même région administrative.
Chaque tableau représente le calendrier pour des variétés de mêmes longueurs de cycle (court, intermédiaire et long). Si la variété que vous avez l’habitude d’utiliser n’est pas dans la liste proposée, il faut se référer au calendrier des variétés ayant la même longueur de cycle.
L’itinéraire technique présenté dans le présent livre est structuré par ordre chronologique. Pour chaque activité, les périodes recommandées pour les travaux à effectuer sont données par des cases colorées (bleu et rouge) sur la même ligne:
Dans le calendrier, chaque mois est divisé en trois intervalles de 10 jours. Il faut respecter les périodes recommandées pour effectuer les opérations culturales , c’est à dire, le moment favorable pour effectuer chaque opération, l’intervalle de temps entre deux opérations, l’ordre des opérations et leurs nombres.
La longueur de la période recommandée pour chaque opérations est la même (c’est à dire même nombre de case colorée) sauf pour la préparation du sol et la première fertilisation (si elle se fait en même temps que la préparation du sol).
Si pour deux ou plusieurs ligne, la case est colorée correspond à la même période de 10 jours, cela signifie que ces opérations se font en même temps ou successivement (exemple: sarclage suivi de fertilisation).
Ainsi, si les périodes recommandées s’étalent sur plusieurs périodes de dix jours (par exemple 4 cases, soit 40 jours), la lecture se fait comme suit :
Prenons l’exemple de ce tableau pour du riz de bas-fond à cycle court. Ici, nous avons le choix d’effectuer le semis entre le 21 Décembre et le 31 Janvier. Si, nous effectuons le semis entre le 01 et 10 Janvier (marqué de X), la préparation du sol et la fertilisation s’effectuent avant cette période. Le repiquage se font entre le 21 et 31 Janvier avec la seconde fertilisation (les cases en X). La troisième fertilisation et le sarclage doivent se faire entre le 11 et 20 février. Pour la récolte, elle se fait alors entre le 21 et 30 Avril.
Par contre, si nous choisissons de faire le semis entre le 21 et 31 janvier (case rouge), les autres opérations vont se faire pendant les autres cases rouges.
Remarque n°1:
La liste de variétés proposées dans ce document n’est pas exhaustive. Des informations pour d’autres variétés sont disponibles au niveau du FOFIFA, du SOC et des DRAEs.
Remarque n°2 :
Pour certains régions ou districts, les calendriers culturaux ne sont pas disponibles pour l’une des raisons suivantes :
Natokana ho an’ny voly vary miankin-doha tanteraka amin’ny rotsakorana ihany ireto tetiandrom-pambolena ireto. Izy ireo moa dia narafitra araka ny vinavinan’ny rotsakorana manomboka ny Oktobra 2023 hatramin’ny Aprily 2024. Tsara ho tadidiana anefa fa mety tsy hitovy tanteraka amin’ny vina ny toetrandro hiseho.
Manoro ny vanim-potoana tsara hambolena ny tetiandrom-pambolena. Mety efa milatsaka ny orana mialoha ny vanim-potoana voatoandro, kanefa tsara raha miandry kely satria mety mbola ho maina ny andro aorian’izany (miteraka tsy fahombiazan’ny fitsiriana).
Raha toa ny toetrandro eo an-toerana ka mitovy kokoa amin’ny toetrandro eo amin’ny Faritra mifanila aminao noho ny eo amin’ny Faritra misy anao amin’ny ankapobeany, dia tsara raha mijery ny tetiandro ho an’ilay Faritra eo akaiky.
Ny tabilao tsirairay dia mirakitra ny tetiandro ho an’ny karazam-boly mitovy tsingerim-piainana (fohy, antonony, lava). Raha tsy ao anatin’ny lisitra voasoratra ny karazana vary fambolinao, dia ny tetiandrom-pambolena ho an’ireo karazany hafa mitovy tsingerim-piainana aminy no jerena.
Narafitra manaraka ny filaharany tokony hanaovana azy ireo lahasam-pambolena hita ato amin’ity boky ity. Voamarika amin’ny alalan’ny efamira miloko (manga sy mena) milahatra mitsivalana ny vanim-potoana tsara hanaovana ny lahasam-pambolena tsirairay:
Ao amin’ny tetiandro dia mizara hafoloana (folo andro) telo ny volana iray. Aoka hajaina tsara ny vanim-potoana voatoandro hanaovana ny lahasam-pambolena tsirairay, izany hoe ny vanim-potoana tsara indrindra hanatanterahana ny lahasa, ny elanelam-potoana manasaraka ny lahasa roa mifanesy, ny filaharan’ny lahasa ary ny isany.
Mitovy ny faharetan’ny vanim-potoana ho an’ny lahasa rehetra (izany hoe mitovy ny isan’ny efamira miloko) afa-tsy ho an’ny fikarakarana ny tany sy ny fitondrana zezika.
Raha toa misy andalana roa na maromaro ka mifanitsy ny efamira miloko (hafoloana), dia midika izany fa miaraka atao na mifanesy ny fanatanterahana ireo lahasam-pambolena ireo (ohatra : fiavàna arahana fitondrana zezika).
Arak’izany, raha hafoloana maromaro no voatondro fa mety hanatanterahana ny lahasam-pambolena (ohatra: efamira 4, izany hoe 40 andro) dia toy izao no famaky azy :
Andeha ho raisintsika ohatra io tetiandro ambony io ho an’ny voly vary an-drano manana tsingerim-piainana fohy. Manan-tsafidy isika eto ny hamboly eo anelanelan’ny 21 Desambra sy 31 Janoary.
Raha eo anelanelan’ny 01 sy 10 Janoary no atao ny famafazana (efamira voamarika X), dia tokony tanterahina mialoha io vanim-potoana io ny fikarakarana ny tany sy ny fitondrana zezika voalohany. Ny fanetsana sy fitondrana zezika faharoa dia eo anelanelan’ny 21 Janoary hatramin’ny 31 Janoary. Ny fiàvana arahina fitondrana zezika fahatelo dia atao eo anelanelan’ny 11 hatramin’ny 20 Febroary. Ary ny fijinjana dia atao ny 21-30 Aprily.
Fa raha kosa hoe atao ny 21-31 Janoary ny famafazana (efamira miloko mena), dia atao mandritra ny efamira miloko mena koa ireo lahasa hafa.
Fanamarihana 1:
Misy karazana vary hafa tsy voalaza ato amin’ity boky ity, ary afaka manome fampahafantarana momba izany ny eo anivon’ny FOFIFA, SOC sy ny DRAE. Koa aza misalasala manatona azy ireo raha toa ka ilaina izany.
Fanamarihana 2 :
Tsy misy ny tetiandrom-pambolena any amin’ny faritra na distrika sasany noho ny iray amin’ireto antony manaraka ireto: