
Outre le phénomène cyclonique qui dispose d'un système d'alerte spécifique, des vigilances doivent être adoptées en fonction de risque d’occurrence d’évènements hydrométéorologiques dangereux pour la population et les moyens de subsistance. Nous diffusons des bulletins de vigilance pour les phénomènes suivants : Fortes pluies, Vents forts, Fortes vagues/Houles et Crue/Inondation.
Novokarina ny AlaKAMISY 01 Octobre 2026 tamin’ny 12 ora 21 min
TRANGA AHIANA
Vinavinaina ho betsaka kokoa ny rotsak’orana any amin’ny ilany atsimo atsinanana sy atsimon’ny Nosy ka tombanana hahatratra 50 hatramin’ny 70 mm ny tahan’ny rotsak’orana ao anatin’ny 24 ora.
FOTOANA HISEHOANY
TOERANA VOAKASIKA
Miloko mena
Ny faritra FITOVINANY,ny distrikan’i Vondrozo sy Farafangana ary Mananjary.
Miloko mavo
ANDROY sy ny distrikan’i Benenitra, Betioky Atsimo, Ampanihy ary Taolagnaro .
Miloko maintso
Ny distrikan’i Vangaindrano.
NY METY HO FIANTRAIKANY
➢ Fikorontan’ny asa aman-draharaha andavanandro
➢ Fiandronan’ny rano amin’ireo toerana mora tondraka
➢ Fiakaran’ny renirano, fihotsahan’ny tany sy ny lalana amin’ireo toerana marefo
Entanina ny rehetra hanaraka tsy tapaka ny toromarika atolotry ny tompon’andraikitra eny ifotony
Novokarina ny AlaKAMISY 01 Octobre 2026 tamin’ny 11 ora 51 min
TRANGA AHIANA
Tombanana ho mafy hatrany ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana sy atsimon’ny Nosy. Tombanana ho mafy ihany koa izany any amin’ny morontsirak’i ANDROY sy ANOSY. Vinavinaina hahatratra ny 45/55 km/ora ny hamafin’ny rivotra.
FOTOANA HISEHOANY
➢ Anio Alakamisy hatramin’ny rahampitso Zoma 02 Oktobra 2026 maraina ny eo anelanelan’i Morombe sy Beheloka/Toliara II. Tombanana hiitatra hatramin’ny Sabotsy 03 Oktobra 2026 hariva ny eo anelanelan’i Beheloka/ Toliara II sy ny tanjona Vohimena.
➢ Vinavinaina hitoetra ihany koa izany ho an’ny morontsirak’i ANDROY sy ANOSY manomboka anio Alakamisy hatramin’ny Alatsinainy 05 Oktobra 2026.
TOERANA VOAKASIKA
Miloko mena : Morombe hatrany amin’ny tanjona Vohimena.
Miloko mavo : Ho an’ny morontsirak’i ANDROY sy ANOSY.
NY METY HO FIANTRAIKANY
➢ Fahasarotan’ny fifamoivoizana na faharendrehana an-dranomasina
➢ Fikorontan’ny asa fihariana andavanandro
Entanina ny rehetra hanaraka tsy tapaka ny toromarika atolotry ny tompon’andraikitra eny ifotony
Novokarina ny AlaKAMISY 01 Octobre 2026 tamin’ny 11 ora 55 min
TRANGA AHIANA
Tombanana hahery hatrany ny ranomasina any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana, atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy noho ny alondrano avy atsimo na atsimo atsinanana. Vinavinaina ho 3m ny haavon’ny onja, hahatratra 3.5m eo anelanelan’i Morombe sy Taolagnaro.
FOTOANA HISEHOANY
➢ Anio Alakamisy hatramin’ny rahampitso Zoma 02 Oktobra 2026 ny eo anelanelan’i Morombe sy ny tanjona Vohimena.
➢ Anio hatramin’ny Sabotsy 03 Oktobra 2026 eo anelanelan’ny tanjona Vohimena sy Manakara.
TOERANA VOAKASIKA
Miloko mena
Ireo toerana rehetra voakasika
NY METY HO FIANTRAIKANY
✓ Fahasarotan’ny fifamoivoizana na faharendrehana an-dranomasina;
✓ Fikorontanan’ny asa fihariana an-davanandro.
Entanina ny rehetra hanaraka tsy tapaka ny toromarika atolotry ny tompon’andraikitra eny ifotony
Tsy misy fampitandremana
La diffusion de la vigilance feux/incendies reprendra le 16 Octobre 2026
Tsy misy fampitandremana
Cliquez sur le produit que vous voulez voir :
| Bulletin Agrométéorologique | 14/08/2026 |
| Bulletin Agrométéorologique | 14/08/2026 |
| SORGHO | 27/10/2025 |
| Riz | 24/10/2025 |
| Haricot | 24/10/2025 |
| Arachide | 24/10/2025 |
| Maïs | 24/10/2025 |
| PROJECTION CLIMATIQUE | 19/02/2024 |
| Projection climatique 2023 | 19/02/2024 |
| PROJECTION CLIMATIQUE | 18/03/2022 |